Rafitra Fitarainana Sy Tamberin'andraikitra

 

Tongasoa eto amin'ny rafitra fitarainana sy tamberin'andraikitra [feedback] eto amin’ny Conservation International-Madagascar. Tianay ny handre ny fanehoan-kevitrao. Indraindray na tsara toy inona aza ny fanomanana sy fampandehanana ny tetikasa dia mety mbola hisy fiantraikany tsy ampoizina. Ireo rafitra fanehoan-kevitra ireo no vato fehizoron'ny fandraisana andraikitra. Ireo no ahafahanay ato amin’ny Conservation International mahafantatra sy mamaly ara-potoana sy amin’ny fomba mangarahara ny fitarainana sy ny ahiahn’ireo mpiara-miombon’antoka mikasika ny asanay.

Ny fanehoan-kevitra na ny fitarainana dia azo alefa:

  • Mivantana: Lot II N 59CE TerB Malakialina Analamahitsy, Antananarivo (101)
  • Amin'ny alàlan'ny mailaka: agm_taraina@conservation.org
  • Amin'ny alàlan'ny finday: 038 71 498 12
  • Amin'ny alàlan'ny Whatsapp: 038 71 498 12
  • Amin'ny alalan'ny tranonkala eto ambany: Marihana fa ity dia alefa any amin'ny adiresy mailaka etsy ambony

Araho ny dingana etsy ambany mba hametrahanao ny ahiahinao, ny fitarainanao, na ny fanehoan-kevitra momba ny CI-Madagascar sy / na ny tetikasa izay tantaniny ary azahoanao vaovao momba ny fandraisana ny sy ny famahana ny olana notanterinao. Ny antontan-kevitrta fenoina eto, sy izay voaray amin’ireo fomba fifandraisana hafa (antso an-taroby, someso sns), dia mijanona ho tsiambaratelo ary hokarakaraina araka ny fitsipika mifehy izany ao amin’ny CI-Madagascar.

Raha te-hametraka fitarainana tsy mitonona anarana ianao, azafady ampiasao ny rafitra fitantanana ny fitarainana sy ny tamberin’andraikitra ao amin'ny CI maneran-tany.